Zavatra 3 lehibe no noresahin’ny CENI, dia ny fandrosoana ny fifidianana, ny fanatanterahana ny fifidianana araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ary ny fanemorana izany.
Ho anay solombavambahoaka ao anatin’ny vondrona parlemantera HVM sy amin’ny maha filohany ahy sy ny maha mpiaro ny lalàmpanorenana anay, dia soso-kevitra arosonay ny hoe aleo hijanona amin’ilay daty voalazan’ny lalàmpanorenana ihany, hoy i Harijaona Andriarimalala na Jaona Elite teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Nisy mantsy ny resadresaka sy fakan-kevitra nataon’ny CENI omaly. Nambarany fa aleo amin’ny faran’ny volana novambra ihany satria misy hamehana izany raha haroso. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana koa tsy mbola namoaka ny heviny momba ny fametraham-pialan’ny filoha, hoy izy. Ny fanemorana ny fifidianana dia efa manambara fa miomana hanana filoham-pirenena vaovao isika amin’ny volana janoary febroary 2019 fa tsy mety intsony amin’ny volana mey, raha ny heviny. Manoloana ny fikatsahana ny fitoniana, vonona foana hiresaka ary vonona ny hiaraka hidinika amin’ireo solombavambahoaka mitolona ho an’ny fanovana hiditra eo ambony latabatra hiaraka hijery sy hiaraka hanao ny governemantan’ny marimaritra iraisana ifanarahan’ny rehetra hitondra mankany amin’ny fifidianana madio sy mangarahara, hoy i Jaona Elite. Taiza izany no tsy natao hatrizay fa efa niziriziry sy nampiasa hery vao hiresaka satria matahotra mafy ? Efa akaiky ny fifidianana, ka andao hifampiresaka hametraka zavatra madio sy mangarahara eto amin’ity tany sy firenena ity. Ny an-daniny anefa efa mazava ny resaka fa tsy hiresaka raha tsy miala ny filoha. Tsy afaka ny hanaiky izahay ny fialan’ny filoham-pirenena satria izahay manaja lalàmpanorenana, ka aleo isika handeha amin’io. Tsy ekenay ny fialan’ny filoha, hoy hatrany izy. Ny efa fantatra dia manomboka milavo lefona ny fanjakana matoa efa misy mpitondra na olon’ny fitondrana mahasahy miteny fa vonona amin’ny fananganana governemanta iraisana. Efa tena may ny endim-boanjony. Rahoviana marina no hanao veloma an-drafahefana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.