Enim-bolana monja taorian’ny nijoroany dia efa tsy nahatoky ny fitondrana Rajaonarimampianina intsony ny 26,7%-n’ny olom-pirenena Malagasy, araka ny fanadihadiana notanterahan’ny Ivon-toeram-pirenena misahana ny Antontanisa tamin’ny volana jolay sy aogositra 2014 izay nivoaka tamin’ny volana desambra 2014 te
Nanala ny fahatokisany amin’ny mpitondra fanjakana lanim-bahoaka ny antsasaky ny olom-pirenena nifidy azy tamin’ny volana desambra 2013 raha io tarehimarika io no jerena izay nanodidina ny 54% latsaka kely. 10%-n’ny Malagasy kosa no vonona hametraka ny ho aviny eo ambany fitantanan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Tena manaitra ihany koa ny vokatry ny fanadihadiana izay milaza fa maherin’ny 45,5%-n’ireo sokajin’olona nanontaniana no tsy manana fahatokisana ny tontolon’ny fitsarana. Tsy resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny polisy ihany koa ireo sokajin’olona voatsonga tao anatin’ny fanadihadiana mahasolotena ny fiarahamonina malagasy ireo. Miitatra hatrany amin’ireo andrim-panjakana foibe toy ny fiadidiana ny Repoblika, ny governemanta ary ny Antenimieram-pirenena io tsy fahatokisan’ny olona io. Voakasiky ny tsy fifampitokisana izay ihany koa ny fifandraisana misy eny ifotony. Raha mifampatoky tanteraka ireo mpikambana eo anivon’ny fianakaviana dia mihen-danja izany manoloana ireo namana sy olom-pantatra ary tena foana amin’ny olona tsy mifankahalala mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.