Politique

Fitondrana ankehitriny Mivorivory fotsiny tsy misy vahaolana


  • Talata 19 Aogositra 2014

Firenena azo lazaina fa tompondaka amin’ny fivoriana raha i Madagasikara. Fiteny mahazatra eto moa ny hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra ka asa na izay no antony sy amoronana izao karazam-pivoriana lava izao

Ny anarany no ovaovaina : «Forum», «Assise», «Atelier», «Conférence» … Manginy fotsiny ny fivoriana iraisam-pirenena ivoahan’ny mpitondra lava any ivelany. Ho an’ity fitondrana vaovao ity izao, dia efa im-balo nivoaka tany ivelany tany ny filoha hatramin’ny 25 janoary nandraisany fahefana. Toa ny vola fotsiny no lany fa tsy hita izay fandrosoana. Ny olana eto anefa dia efa mazava, eny fa na ny vahaolana koa aza, dia ny Fitsarana, ny fampianarana ary ny resaka fotodrafitrasa. Mifamatotra amin’ny fitsarana ny fandriampahalemana, tafiditra amin’ny fotodrafitrasa ny lalana, sekoly, hopitaly, tohodrano … ao anatin’ny fampianarana ny fitaizana ary ny famolavolana ny tanora Malagasy ho olombanona sy manampahaizana hoavin’ity firenena ity. Maro ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ireny karazam-pivoriana ireny, fa ny fanontaniana dia hoe : efa mba nisy nampiharina ve izy ireny sa nandaniam-bola fotsiny ? Nalaza izany “assise militaire” natao teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny 2009, nentina nandaminana ny raharahan-tokantranon’ny miaramila. Inona akory no teo ? Firifiry ny miaramila lasa tany am-ponja taorian’iny ary mbola misy tavela any hatramin’izao. Septambra 2011, teraka iny indray ny tondrozotra izay niaraha-nanao sonia teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hamoahana an’i Madagasikara ao anaty krizy. Tanteraka ve ireo andininy tao anatiny sa haingon-databatra fotsiny ? Maninona no mbola mihitsoka any ivelany, tsy tafody ireo sesitany politika nefa mazava ny voalazan’ny andininy faha-20 ao amin’io tondrozotra io. Farany teo dia nisy iny fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana natao teny amin’ny CCI Ivato iny. Hevitra avy eny ifotony marina ve no nangonina tamin’ireny ? Raha eny, maninona no maha be adihevitra ary toherin’ny maro ny hizarazarana an’Antananarivo Renivohitra ho Kaominina enina ? Sao mba mamorona olana mba hivoriana fotsiny ity fitondrana ity fa tsy miatrika ny tena zava-misy, ka mampihatra ny vahaolana efa eo am-pelatanany e !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT