Politique

Fitondran’ny HVM Mizara galona, manambitamby ny miaramila


  • Alakamisy 21 Aogositra 2014

Raha mbola mitarazoka ny famahana ny olana amin’ny fitakian’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpampianatra FRAM, ny an’ireo sendika maro samihafa tahaka ny an’ny mpitsabo sy ny mpitsara dia mihazakazaka hatrany manome fahafaham-po ny miaramila ny fitondram-panjakana.

 Ny minisitry ny fiarovana no nanambara fa hisy manamboninahitra lefitra manodidina ny 928 indray hasondrotra grady amin’ity taona ity. Tsy maintsy hisy ny fepetra sy masontsivana apetraka, hoy ny minisitra fa na izany aza dia azo antoka fa ho maro be amin’izy ireo no hitombo grady, izany hoe hitombo karama sy tombontsoa indray. Nalaza tamin’ny fizarana grady sy galona ny fitondrana tetezamita, mialoha ny nialany teo amin’ny fitondrana dia mbola nanendry manamboninahitra jeneraly efa ho 30 i Andry Rajoelina tamin’ny janoary 2014. Ankehitriny toa manara-dia azy ihany koa i Hery Rajaonarimampianina, izay efa nanambitamby ka nanome fanamiana vaovao ny foloalindahy tamin’ny 26 jona teo, izao indray dia hampiakatra ny gradina manamboninahitra lefitra efa ho 1 000. Mipetraka ny fanontaniana eto hoe : fa tena tsy maintsy tanterahana amin’ity taona ity marina ve izany ? Izany ve no tena laharampahamehana ? Hampilamina ny firenena, hamongotra ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy ve izany sa mifono hevitra inona indray ? Efa mampitolagaga izao tontolo izao ny fahamaroan’ny manamboninahitra jeneraly eto Madagasikara, zarazaraina tahaka ny entana mora vidy eny an-tsena ny galona sy ny mariboninahitra eto amintsika. Tsy mifanaraka akory amin’ny isan’ny vatamiaramila ny isan’ireo manamboninahitra tokony hitazona fibaikoana. Manahy ny maro fa sao lahy ka paikady hanambitambizana ny tafika sy hanaovan’ny mpitondra azy ho fitaovana politika indray izao fampisondrotana grady izao. Ny minisitry ny fiarovam-pirenena rahateo dia olona akaikin’ny filoham-pirenena ary efa niara-niasa taminy tao an-dapa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT