Tsy misy andro iray ka tsy handrenesana fimenomenoman’ny olona momba ny fitondram-panjakana. Mba nisy ihany anefa, herintaona lasa izay ny nanantena fiovana tokoa tamin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao
, saingy indrisy fa fampandriana adrisa sy fampiesonana isan’andro no tsapa, hoy ny olom-pirenena izay nanontaniana. Izy samy HVM aza mifandramatra, tahaka ny any Tolagnaro, Antsirabe, Ambatondrazaka, Toamasina…satria tsy mazava mihitsy ilay lalan-kombana hatreto. Efa tena fahotana mahafaty anefa izany ho ana antoko eo amin’ny fitondrana. Herintaona nitantanana ny firenena ve dia tsy mbola mazava tsara ihany ny fandaharanasa, ny fomba hanatanterahana azy, ireo hanao ny asa ary ny vola hanaovana izany ? Firenena iray manontolo anefa no tantanina.
Tsy atokisan’ny olona intsony
Tsy mbola tsapan’ny vahoaka ny fitoniana, mbola masiaka be ny asan-jiolahy na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Lasa mampatahotra ny olona ankehitriny ny mitondra fiara amin’ny alina eto Antananarivo. Efa tsy dia matory firy intsony ny olona any ambanivohitra fa miandry sao misy mangalatra ny biby fiompy na misy manongotra amin’ny fakany ny voly. Tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny olona, mirongatra ny trafikana fitaovam-piadiana eto amintsika ary mitondra basy avokoa ny jiolahy. Tsy mbola misy ezaka mivaingana ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny boaderozy hatramin’izao ary toa mikipy maso mihitsy manoloana io trafika io aza ny fanjakana. Ankoatra izay, be vava ery i Hery Rajaonarimampianina tany am-boalohany fa kapoakany ary hainy ny mitady vola satria minisitry ny vola izy. Herintaona sy roa volana izay no dila, aiza izay famatsiam-bola azo eo ? Vava be ny an’ny praiminisitra niantefa tamin’ireo mpiasam-panjakana, fa toa vao mainka mafy ny fitokonan’ireo sampandraharaham-panjakana eto amintsika. Traboina ny firenena ary hita fa sahirana miatrika ilay toe-draharaha ny fitondram-panjakana. Izao re indray fa mety hahemotra ny fifidianana ben’ny tanàna, adino tanteraka sy tsy misy resaka intsony ilay « Haute Cour de Justice » tokony ho napetraka 12 volana taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny andraikiny. Nijanona ho propagandy fotsiny ny momba ny « îles éparses » fa dia lasa voambolana tsy fantatr’ingahy filoha sy ireo mpiara-miasa aminy intsony ireo nosy anjara fananan’i Madagasikara nobodoin’ny Frantsay ireo, kanefa dradradradraina ny hoe fiandrianam-pirenena. Ny fampihavanam-pirenena atao, kanefa misy ny olona gejaina sy tsy avela hisitraka tanteraka ny zony. Ka inona fa tsy fampiesonana no tena atao eto izany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.