Politique

Fitondran’ny HVM Harodan’ny orana sy ny olana ?


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Anaty fahasahiranana tanteraka ny firenena ary efa namoaka fanambarana in-droa miantaona izao ny fitondran’ny HVM tato anatin’ny iray volana izay nilaza fa firenena traboina i Madagasikara. Hita ho mikaviavia miatrika ny

 

fahasahiranana ny fitondram-panjakana ary tsy mety mahita vahaolana mahomby, izay no nahatonga ireo traboina teny ambany tanàna efa nihetsika nidina an-dalambe, noho io tsy fisian’ny vahaolana mahomby io ihany koa no efa nampitokona ny traboina teny amin’ny fasan’ny Karana sy Ankadimbahoaka farany teo. Izao ny vahaolana tsara indrindra hitan’ny fitondrana dia ny fampitokana-monina ireo traboinan’Antananarivo eny amin’ny labatoara.

Tsy misy asa mandeha

Hatramin’ny omaly dia mbola mangina tsy mety mamaly ny antso vonjin’ny fanjakana malagasy ireo mpamatsy vola, tsy hoe tsy te hanampy fa ao raha matoa malaina hamoaka vola sy hanome entana izy ireo. Amin’ny volana oktobra vao hisy ny fivorian’ireo mpamatsy vola miara-miasa amin’i Madagasikara, nasiaka ny tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny fandalovany teto herinandro lasa izay ary nanome fepetra maromaro mba harahan’i Madagasikara, mialoha ny fifampidinihana manaraka. Midika izany fa tsy misy ny vola hanatanterahana ilay fandaharanasa ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE) ary mijanona ho resabe an-taratasy ihany koa ilay drafitra nasionaly ho amin’ny fampandrosoana (PND) satria tsy misy ny vola.

Hirodana…

An-kilan’izany rehetra izany dia ratsy endrika eo imason’ny olona ny antokon’ny fitondrana noho ny fihetsik’ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy, tsy vitsy amin’izy ireo no manararao-pahefana tsotra izao. Ka terena tsotra izao avoaka ny volam-panjakana kanefa tsy fantatra mazava izay hampiasana azy. Ny mpiara-miasa fahiny anefa dia ny MAPAR izany efa nailika ary efa manohitra ny fitondrana mihitsy izao. Miakatra ny vidim-piainana noho ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa sy fahasimban’ny lalana. Maro ireo traboina noho ny ora-mikija kanefa tsy hita izay hetsika matotra ataon’ny fanjakana hatreto fa dia fanampiana vonjy tavanandro no hita, mody mitsidika dia mikabary dia tonga ny vary sy voamaina ary menaka dia izay. Tsy sanatria maniry loza ho an’ny firenena fa kosa mbola amin’ny faran’ny volana aprily vao ho tapitra ny vanim-potoan’ny rivodoza eto amintsika, mbola hitohy ny orana ka tsy hay izay hiafarana eto raha sanatria misy rivodoza roa mbola hamely faritra maro eto amin’ny nosy indray. Tsy mahatoky intsony ny fitondrana ny olona satria be loatra ny kabary raha ampitahaina amin’ny asa atao, misy mihitsy ireo efa manao tombantombana fa tsy haharitra hatramin’ny farany ity fitondran’ny HVM ity fa hirodana satria efa tena leo ny olona ary raha izao no misy fihetseham-bahoaka ngezangeza dia izay no izy.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT