Montsan’ny fitondrana HVM ny zava-bita rehetra tamin’ireo fitondrana nifandimby teto Madagasikara satria tao anatin’ny herintaona monja dia betsaka lavitra noho ny nisy nandritra ny tetezamita ny boaderozy niondrana tany ivelany.
Nisesy ny fisamborana sy fanagadrana, tao ny filoham-pirenena teo aloha, mpanao gazety, mpanao politika, mpianatra eny amin’ny oniversite, mpitarika sendikaly.
Gaboraraka sy afera maizina
Voatonontonona any anatina afera maizina ny olona ambony sy fianakavian’ny mpitondra ambony sasany eto amintsika. Hatramin’ny mpitandro filaminana aza lasa mpitatitra ny volan’ny jiolahy. Ela ny ela ka nanapa-kevitra ny hanome vola ana miliara ny dahalo nambara fa niova fo ny fitondram-panjakana nisy teto Madagasikara, toa vao miha anefa nirongatra ny asan-jiolahy.Gaboraraka tanteraka ary tsy voaara-maso ny fitrandrahana ireo harem-pirenena tahaka ny volamena sy ny safira. Tsy atao mahagaga raha tsy mahatoky ny fitondrana ireo mpamatsy vola satria mibaribary be mihitsy ilay tsy fahaiza-mitantana. Ny olom-pirenena tsotra izay anontaniana dia samy milaza fa tsy misy antenaina amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, ao mihitsy aza ireo sahy milaza fa tsy hahatody 5 taona izany izao fitondrana izao fa hirodana mialoha .I Laza Razafiarison , kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo dia nanitrikitrika omaly fa ho fohy noho ny fotoam-piasan’ny Pr Zafy Albert ny faharetan’ny fitondran-dRajaonarimampianina. Tsikaritra fa efa manomboka mampiasa ny herim-pamoretana hanapenam-bava ireo tsy mitovy hevitra aminy ny fitondram-panjakana, izany anefa no mety hampitombo ny fahasosoran’ny olona aminy. Efa tena antomotra ny fipoahana ara-tsosialy noho ny fahalafosan’ny vidim-piainana. Tsy manam-bahaolana mazava amin’io anefa ireo mpitondra fa dia be resaka fotsiny, ary izay no mahatonga ny maro hamisavisa fa tsy haharitra izao fitondrana izao fa dia hirodana ho azy eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.