Politique

Fitondran-dRajaonarimampianina Efa manisa andro sisa !


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2015

Fahadisoan-kevitra ny mieritreritra fa matanjaka ny antoko HVM satria nahatafiditra ben’ny tanàna 814 amin’ny 1695 nofidiana ny 31 jolay lasa teo

 

. Ny antony dia maro be ny fitarainana noho ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana iny fifidianana iny ary efa mananika ny 1 800 ny fitarainana, maro be koa ny resaka amin’ny halabato, fanovana voka-pifidianana tampoka sy ny fampiasana ny fahefam-panjakana mba hampandaniana ny kandidan’ny HVM.

Tsy mahavaha olana

Sady efa tsy manana maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena izany ny antokon’ny fitondrana no mbola malaza ratsy amin’ny paikady hafahafa indray mba hahatafidirany ben’ny tanàna maro. Mbola hitohy ihany noho izany ny savorovoro politika satria be loatra ny ahiahy tsy hihavanana, ny olona rahateo mahita fa tsy manam-bahaolana hanatsarana ny sosialim-bahoaka mihitsy ny fitondrana Rajaonarimampianina fa toa variana amin’ny resaka ambony latabatra sy ny politika avo lenta fotsiny. Efa fambara ratsy ny fisian’ny fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa (Jirama, oniversite, INSTAT..) sy ny fahalainan’ny mpamatsy vola ho avy eto amintsika19 volana aty aorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny asany. Farany teo dia mbola nanamafy ny tokony hanatanterahana manontolo ny tondrozotra ny SADC. An-kilan’izay dia mbola mitazana fotsiny aloha fa tsy mety manome vola ry zareo eoropeanina. Mitohy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena (boaderozy, volamena, vatosoa, sokatra) kanefa nanome toky fa hiady amin’izany ny filoha ny 25 janoary 2014. Resaka no betsaka fa tsy misy ny asa tena mivaingana.

Fifidianana mialoha ny fotoana

Manampy izany, velon-taraina ny mpandraharaha malagasy fa misy ny mizana tsidrian’ila. Toa migalabona ny vahiny sady efa manam-bola sy mahazo fikarakarana manokana amin’ireo banky misy eto no mbola mahazo mamaritra izay tany tiany n’aiza n’aiza eto Madagasikara. Mampitombo isan’andro ny fahasosoran’ny olona amin’ny fitondram-panjakana izany rehetra izany. Mitarika ireo etamazaoro politika hiketriketrika ihany koa. Misy ny siosion-dresaka ny amin’ny hoe fiketrehana fanonganam-panjakana ataona vondrona manamboninahitra, hono ! Midika tsy filaminana sy tsy fisian’ny fitoniana avokoa izany ary tahaka ny manamarina fa tsy marim-pototra efa hatrany am-boalohany ity fitondram-panjakana ity. Mbola manao hadalana ihany anefa ny HVM ary maro ny olona manombantombana fa mety tsy hahatody hatrany amin’ny 2018 izao fitondrana mitsingilahila izao fa tsy maintsy hisy ny fifidianana mialoha ny fotoana mba hamoahana izay mpitondra sy antoko politika maharesy lahatra tokoa ny vahoaka ary manana ny maro an’isa tena izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT