Politique

Fito volana nitondran’i Hery Rajaonarimampianina Diso fanantenana ny olona


  • Talata 12 Aogositra 2014

Madame Josie (olon-tsotra): Raha izaho manokana dia tena diso fanantenana tanteraka.Nandritra ny propagandiny ny filoha amin’izao io dia nilaza fa ho jerena manokana

ny lafiny fandriampahalemana, ekena fa nisy ny hetsika natao tany atsimo fa tsy mahavaha olona e! aiza izao ilay fampihavanam-pirenena izay lazaina foana, toa vo mainka miantsy ady ary ny ataony. Jereo fa betsaka ny fitokonana etsy sy eroa. Ny fanantanterahana ilay article 20 moa zany dia teny manidina fotsiny! Fanjakana tsy mavaha olona io e!

Sary : Mme Josie

 

Mr Ratsima(mpiasam-panjakana): izao dia mihevitra fa tena mahay mampandry adrisa loatra ny mpitondra ! ekena fa hoe fito volana izay no lasa fa maninona no zavatra ratsy no misongadina noho ny tsara? Misy nefa mpitondra nanao fampielezan-kevitra teo nilaza fa mahavita manova ny fiainan’ny Malagasy ao anatin’ny zato andro. Tokony ho manana hambo ny mpitondra e! rehefa tsy mahavita dia mieritrereta.

 

Mme Fenohanitra(mpiasa-tena): Mahagaga mihitsy ity filoha mivoaka lava any ivelany ity! Raha misy vokany moa maninona fa saingy toa resaka fotsiny no betsaka. Vao tonga teo amin’ny fitondrana ny tenany dia miakatra daholo ny zavatra rehetra: ny saran-dalana, ny solika, ny hetra….Betsaka anefa ny zavatra nolazainy tamin’ny propagandiny a! Fotoana fohy dia hivaha ny olana hoy izy, aiza izany izao? Ny gadra politika tsy mivoaka nefa fampihavanana no dradraina, inona marina no tena ao an-tsain’ny mpitondra? Maninona no tsy hampodiana i Ravalomanana, sokafy ny haino aman-jery nakatona rehetra. Mahagaga anay hoe ny eo tsy sokafana fa ny an’ny sasany avela hisokatra sa ve rehefa zareo samy zareo dia tsy maninona?Mbola ratsy lavitra noho ny tetezamita io fitondrana io!

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT