Zara raha tafajanona ao Iavoloha ny filohan’ny Repoblika tato ho ato fa dia any am-pitetezam-paritra hatrany. Henika azy sy ireo minisitra HVM i Madagasikara.
Ireo departemanta hafa anefa tsy mahetsika noho ny tsy fisiam-bola, vokatry ny tsy fahavitan’ilay lalàna fanitsiana ny fitantanam-bola. Misy tokoa ary ve ny vola ? Raha misy, maninona ireo minisitera sasany no moana be tsy mba ahenoam-baovao ? Maninona no tezitra ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana fa tsy mahaloa ny anjara vola tokony haloany amin’ny fanaovana asa ny Fanjakana ? Ny filoha sy ireo minisitra HVM anefa ao anatin’ireo fivezivezena manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fiaramanidina sy helikôptera toa te haneho fa misy ny vola, ka volan’iza marina no ampiasaina eto e ? Hatramin’ny faran’ny herinandro no ho mankaty fotsiny izao dia tany Antsiranana ny filoha ny sabotsy nanokatra ny “sport scolaire”, tany Tsibombe indray ny alatsinainy nanokatra ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny lefakozatra, anio indray izy dia hihazo an’i Toamasina, hitokana orinasa fakana lohamenaka hanaovana ranomanitra any Analamalotra. Ary mety mbola hamonjy ny JMJ Mada 8 atao any Fianarantsoa koa. Azo antoka fa tsy hamela handalo fotsiny ny fisian’ireo tanora katolika an’aliny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izy, sady tsy hisy havoriana toy io indray raha tsy afaka telo taona, sady hifanojo amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ka fanararaotra e !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.