Politique

Fitetezam-paritra etsy sy eroa Mitazam-potsiny ny praiminisitra Ntsay


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Mihetsiketsika avokoa ankehitriny ireo kandida filoham-pirenena. Misy tamin`izy ireo no tsy nahandry tantana kanefa ny lalàna manan-kery

 

 

 eto amin`ny firenena dia mametra fa ny eo anivon`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany no mamoaka ny fotoana hanombohan`ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana filohan`ny Repoblika saingy tsy misy mahandry intsony, midadasika rahateo i Madagasikara. Efa mandeha amin`izao fotoana ny karazana fampielezan-kevitra ataon`ireo kandida ary manambitamby sy mampanantena vahoaka sahady. Tsy voafaritra ao anatin`ny lalàna mifehy ny fifidianana tokoa ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tahak`izao. Azo antoka ve fa tsy hisy fitanilana (neutralité de l’administration) eo amin`ny governemanta Ntsay ? Voahaja tokoa ve ny fitetezam-paritra ataon’ireo kandida filoham-pirenena ireo ? Azo antenaina ve fa hitantana ny firenena ara-drariny ary hanomana sy hiara-misalahy amin’ny CENI amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tsy mitanila sy heken’ny rehetra izay hany dingana voalohany sy manan-danja amin’ny famahana ny krizy ny fametrahana ity governemanta misy lokon’ny mpanao politika ity ? Raha ny zava-misy aloha, kely ny finoana amin`ny fanajana ny tsy fitanilana satria lasa misy loko politika. Ny praiminisitra dia manana loko politika. Ho sarotra ihany koa ny tantara satria ny minisitry ny atitany tompon’ny fikarakarana ny fifidianana dia misy an`izany loko politika izany. Hatreto, tsy misy ny fandrarana ny fitetezam-paritra ataon’izy ireny fa samy mandeha samy mitady amin’ny fanangonam-bahoaka ny kandidà sasany. Adidin’ny governemanta tarihan’i Ntsay Christian anefa ny misoroka mialoha ny fangalarana fiaingana tahaka izao. Izy rahateo no nanankinana ny fikarakarana ny fifidianana ka adidiny no mandray fepetra amin’ireo olona mpandika lalàna toy izao. Tsy tokony hananan-kavana ny fitondrana ny firenena, ary tsy hijerena tavan’olona ny fampiharana ny lalàna raha te ho tody any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT