Manomboka mazava ny tian’ny fitondrana atao momba an’Atoa Ravalomanana ankehitriny. Tsy mitombina intsony ihany koa ilay hoe fiarovana ny ainy no antony nangalana azy teny amin’ny trano fonenany Faravohitra ny 13 oktobra lasa teo
. Mazava izao fa dia tena fahatahorana sy halako bika tsy tiako tarehy tsotra izao no atao amin’ny filoha Ravalomanana. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpisolovava an’ity filoha teo aloha ity mantsy dia tsy misy mihitsy antony mitombina sy mazava tena hitazonana an’Atoa Ravalomanana. Hatramin’izao dia tsy mazava ny tian’ireo izay nandray ny fepetra hitazonana azy any Antsiranana hahatongavana. Raha toa ka fametrahana azy amin’ny toerana voatokana na arahimaso manokana no hilazana azy, tsy mbola nisy taratasy milaza izany voaray, hoy ny maitre Andriamadison Hasina. Misy ny fandikana ny lalàmpanorenana andininy faha sivy izay milaza fa ny olona rehetra dia manana zo hiaina malalaka sy tsy azo samborina tsy amin’ny antony. Ny mampalahelo mantsy, hoy hatrany ireto mpisolovava ireto, dia tsy navela nanao ny asany malalaka ihany koa izy ireo rehefa tonga tany Antsiranana fa nosakanana hatrany. Nisy kosa mpisolovava teratany vahiny izay tsy manao ny asany amin’ny maha mpisolovava azy fa mpanelanelana fotsiny ihany navela niditra malalaka tao amin’ny toerana nitazonana ny filoha Ravalomanana izay tsy fantatra izay tena nataony tao. Na teo aza anefa izany dia notsindrian’ireto mpisolovava ireto fa vonona tanteraka ary tsy matahotra Atoa Ravalomanana hiatrika fitsarana raha ilaina izany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.