Politique

Fitazonana ny filoha Ravalomanana Misy fandikan-dalŕna, hoy ny mpahay lalŕna


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

Safidy manadala no miandry ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay efa tafaverina eto an-tanindrazana rehefa sesitany nandritra ny 5 taona mahery ivelan’ny firenena malagasy.

Nanapa-kevitra ny hitana ity filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha ity any amin’ny toerana ahafahana miaro ny ainy ny manampahefana malagasy efa ho herinandro mahery izao. Manana ny fahafahana handà io fiarovana avy amin’ny fanjakana io anefa ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko izay lalàna natokana hampiharina ho an’ny olona latsaky ny 18 taona. Misy noho izany ny fandikan-dalàna ho an’ireo mpahay lalàna satria voatohintohina ny fahalalahan’ity olom-pirenena ity izay manan-jo tanteraka hisitraka ny sata mendrika ny maha filoham-panjakana voafidim-bahoaka azy. Mitaky antony mazava rahateo ny fitazonana olona iray amin’ny toerana mitokana sy voafefy tahaka ny manjo ny filoha teo aloha ankehitriny, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo am-piandrasana ny tena hevitry ny fanjakana mahefa moa ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao. Inoana fa hanome lanja ny soatoavina tena Malagasy ny mpitondra ka hamotsotra madiodio ity raiamandrenin’ny Malagasy nitantana ny firenena nandritra ny enin-taona ity mba hirosoana malaky amin’ny tena fampihavanam-pirenena andrandrain’ny vahoaka manerana ny nosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT