Nilaza ny mpanamory iray mivondrona ao anatin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar fa ny 80 isan-jaton’ny sidina ataon’i Madagasikara mampitohy an’i Frantsa dia bodoin’ny zotram-pitaterana ana habakabaka Air France avokoa
31 ny fitambaran’ny sidina ataon’ny frantsay eto Madagasikara ao anatin’ny iray volana ary 17 monja ny anjaran’ny Air Madagascar mankany Frantsa. Nohazavainy koa fa ny fiaramanidina ampiasain’ny frantsay dia Boeing 777 mahazaka mpandeha manodidina ny 500 isa, ny Air bus A-340 kosa zara raha mahazaka mpandeha 275. Nambaran’Atoa Rado Rabarilala hatrany fa tsy azo ekena ny tranga toy izany. Misy mantsy ny lalàna mifehy ny zotra toy itony milaza fa tokony hitovy ny sidina ataon’ny kaompania tsirairay amina firenena izay ahazoany manao izany. Mifanohitra amin’izay anefa izao ataon’ny frantsay izao. Araka izany dia manana tombontsoa lehibe io firenena io, hoy hatrany ny tenany ny amin’ny hijanonan’i Madagasikara ao anatin’ny Annexe B satria amin’izay malalaka izy ireo amin’ny ampihimamba ataony eto amintsika. Mazava tsara ny resaka eto fa mety noho io tetika maizina hahazoana tombony ara-barotra io no nahatonga ny Frantsay nanery antsika hanary ny Boeing ka hividy Airbus.Tsy nandika lalina, tsy niasa saina firy koa moa ny fitondrana tetezamita fa tonga dia nanaiky io fandrika be io tamin’ny 2012, dia izao iaraha-mahita izao ny voka-dratsiny.Ny fahatsapana io hafetsifetsen-dratsin’ny Frantsay io no nahatonga ireo mpiasa hitaky ny hanesorana haingana an’i Air Madagascar ao anatin’ilay “Annexe B”, saingy ny mahagaga sady mahatalanjona dia misy indray ny antokona mpiasa hafa tena manamaivana ilay tolona, ary mankasitraka ny hanjakazakan’ny Air France eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.