Politique

Fitantanana sy fampandrosoana ny Kaominina Samy manana ny eritreriny avy ireo ben’ny tanàna


  • Talata 20 Oktobra 2015

Samy nanana ny fahatsapany ny zava-nisy natolotra teny Iavoloha sy teny amin’ny CCI ireo ben’ny tanàna rehetra ka santionan’izany ireto ben’ny tanàna vitsivitsy natonina ireto,milaz any hevitr’izy ireo :

 


Rakotoarisoa Rigobert

Amin’ny maha efa ben’ny tanàna teo aloha azy dia tsy nisalasala ity Mera ity nilaza fa ekeny ny fanomezana fiofanana, ekeny koa ny fanolorana fitaovana saingy mbola mampametra-panontaniana azy ny amin’ny fametrahana ny lamina homena an’ireo ben’ny tanàna ireo toy ny amin’ny resaka fanomezana fanampiana ireo kaominina isanisany izany izay mbola hanjakan’ny resaka mahitahita mandrakizao.Nambarny koa fa mbola misy foana ny fampihorohoroana isan-kazarany mianjady amin’ireo ben’ny tanàna sasantsasany .

SARY : Rakotoarisoa Rigobert ben’ny tanànan’i Soavina Atsimondrano

 

Rado Ramparaoelina

Fandaharanasa no nandresena lahatra ireo vahoaka ka ho anay ny laharam-pahamehana dia ny fanabeazana sy ny fambolena no laharam-pahamehana ho anay, arahin’ny fandrehetana ny jiro sy fandriampahalemana….Aza manaiky raviravian’olona vola ary asio “quittance” foana rehefa misy vola aloan’ny olona anaty kaominina. Izay vola miditra amin’ny kaominina ihany no ampiasaintsika ben’ny tanàna. Misy lalàna ny fifandraisana amin’ny mpanolotsaina.

Sary : Rado Ramparaoelina ben’ny tanànan’Ampitatafika

 

Dr Rambelosoa Naina

Ny tena fototra izany dia ny fanaovan’ny rehetra ny Plan communal de developpement azy manokana na plan local développement-ny tsirairay. Ka ny fanaovana ny “etude marketing” an’iny drafitra iny  no tena mandany andro fa tsy maintsy himasoana fa zava-dehibe. Ilay toromarika nomena teo dia nazava amin’ny ankapobeny fa ilaina ny fanarahan-dalàna mba tsy hisian’ilay hoe kaominina lasa fanjakana anaty fanjakana.

Sary : Dr Rambelosoa Naina ben’ny tanànan’i Masindray Avaradrano

 

Andriamanganoro Georges

Ny hafatra nampitaina taty Ivato tamin’ny ankapobeny dia nahafa-po. Miakina amin’ny fanatanterahan’ny rehetra azy ihany izany. Ho an’Ankadikely vavahadin’Avaradrano    dia antenaina ny hijerena sahady ny barazy  vaky tratran’ireny tondra-drano farany ireny fa toerana mamokatra iny faritra misy anay iny.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT