Politique

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy


  • Talata 15 Janoary 2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

 

Teboka iray tsy azo ihodivirana, maro ny Malagasy no mandray zavatra an-tendrony. Tsaroantsika tsara ilay hoe «  4L » isan-tokantrano, sarisary nataon’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana izay nidika fa raha miezaka sy miasa tsara ny olona iray dia hisitraka tombony toy izany. Ny zava-nisy dia fandraisana an-tendrony no nitranga ka asa re ity Miami … raha ho tanteraka satria programa mafilotra no nentin’ny filoham-pirenena vaovao nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Tafiditra ao anatin’ny fikorontanan-tsaina ny Malagasy amin’izao ka somary manalavitra ny fahendrena. Marihina anefa fa na mpitondra manana fahavononana toy inona iza ka tsy mahay miara-monina sy manaja ny soatoavina dia tsy hisy zavatra ho vita. Hitantsika betsaka ny rafitra sy asa najoro ho an’ny vahoaka toy ny lalana… nefa simban’ny olona mampiasa azy ary tsy ao anatin’ny fanajana mihitsy. Tokony hotaizana amin’ny fandrosoana ny Malagasy satria notaizana tamin’ny fanararaotana nandritra ny folo taona. Miandry ny fiatombohan’ny asa ny vahoaka Malagasy, indrindra ny lafiny sosialim-bahoaka. Hitondra fanitsiana amin’ny tetibolam-panjakana ve i Andry Rajoelina eo amin’ny sehatra fandriampahalemana, fahasalamana, fampianarana mba tsy ny politika ihany no hisitraka tombontsoa amin’ity IEM ity (Initiative Emergence Madagascar) ? Adidy goavana no miandry ny filoham-pirenena vaovao kanefa miandrandra tombontsoa ho an’ny rehetra ny vahoaka Malagasy ao anatin’ny fanatanterahana ireny vina ireny fa tsy ho azy manokana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT