Politique

Fitantanana ny firenena Mivadika ho krizin’andrim-panjakana


  • Zoma 13 Febroary 2015

Krizy ao anatin’ny krizy no sedrain’ny firenena ankehitriny, hoy i Gaby Vakiniadiana. Tsy mbola tafavoaka akory amin’ny krizy politika nolalovan’i Madagasikara hatramin’ny taona 2009 isika dia efa manangasanga sahady ny

krizim-pitantanana eo amin’ireo andrim-panjakana efa mijoro ao anatin’ny Repoblika faha-IV, araka ny fahitan’ity mpanao politika mpanohitra ny fitondrana ity. Olana tena goavana ho an’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ny tsy fananana ireo solombavambahoaka maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Midika ho tsy fisian’ny fifampitokisana io fisehoan-javatra mitranga eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna io. Hita taratra fa tratran’ny takalon’aina avy amin’ireo depiote ny fiadidiana ny Repoblika ka mahatonga azy ireo manao tery vay manta ny fitondrana hanome ny fiara 4x4. Ilain’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tokoa ireo fiara tsy mataho-dalana saingy ny fomba fitakiana ilay izy no manimba ny hasin’ny andrim-panjakana. Ny manahirana kely amin’ny zava-misy fotsiny dia tsy voasoratra na voalazan’ny Lalàmpanorenana ny zon’ireo depiote hahazo itony karazana fiara itony. Ny fiainam-bahoaka rahateo efa latsaka ambany tanteraka ka mila vahaolana maika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT