Politique

Fitantanana ny firenena Mikorontana tanteraka


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Nahoraka indray omaly fa misy mikasa hanondrana andramena any Mananara avaratra any, ka asa izay ho ambaran’ny fanjakana sa hilaza indray ve fa tsaho izany ?Tsy manara-dalàna ary notsipahan’ny HCC ilay volavolan-dalàna momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ahitana ny sata monakana momba an’Antananarivo renivohitra,Nosy Be sy Nosy Sainte Marie,

 

fandanian’andro sy fotoana fotsiny izany no natao nandritra ny 3 volana ary mbola mety hitohy aza ny fifandonan-kevitra momba azy ity.Miroborobo ny fakana an-keriny ary efa misy ny mpitandro filaminana nivadika ho jiolahy, niverina ho mahery vaika indray ny asan-dahalo any atsimo ; zary efa mahazatra ny mandre fa misy volamena na zavatra hafa saika naondrana an-tsokosoko indray teny Ivato.Na ny fifidianana izay ho filohan’ny komity olimpika malagasy tany Toliara aza dia nivadika ho savorovoro.

Politika no betsaka, asa tsy misy

Etsy ankilan’izay manangam-bovona ny praiminisitra ka mampitandrina isaky ny mikabary fa hoe ho foanana hono ny kolikoly ary tokony hiasa tsara amin’izay ny mpiasam-panjakana anaty birao; tsy re feo ao anatin’izany rehetra izany ny filoham-pirenena.Re siosion-dresaka fa miady saina mafy mba hahitana vola i Hery Rajaonarimampianina satria tena efa manify ny eo am-pelatanana, dia mifanesisesy tokoa ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka, saingy fanomezan-toky aloha no re hatreto fa tsy hita maso izay vola mitobaka.Tsapa avy amin’ireo zava-miseho rehetra ireo fa mikorontana ny firenena ary tsy mbola tena tafapetraka tsara ilay fahefam-panjakana hany ka an-kitsapatsapa no atao.Herintaona izany izao dia tsy nisy mihitsy zavatra nataon’ny fitondram-panjakana mba hanalefahana ny fahasahiran’ny vahoaka, fandrafetana paikady politika mba hanamafisana orina ny seza sy ny fahefana no hita fa raha izay asa mivaingana ho fitsinjovana ny vahoaka aloha dia :   « zero ».Mazava ho azy fa mbola tsy mahatoky izao fitondrana Rajaonarimampianina izao mihitsy ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka satria be loatra ny zavatra manjavozavo sy tsy milamina , diplaomaty aza moa misy maka an-keriny ankehitriny.Raha izao no mitohy dia ho sahirana hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna ny antokon’ny fitondrana satria efa manomboka sosotra amin’ilay tsy fahaiza-mitantana ny olona; ary ny tena atahorana dia ny fihitaran’ny fahantrana izay tsy maintsy hitarika fipoahana ara-tsosialy goavana eto.

SARY:Hery R sy PM Ravelonarivo


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT