Politique

Fitantanana ny firenena Ilaina olona mahalala sady mahay


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Azo itarafana ny fiainam-pirenena manerana ny nosy ny zava-misy eto an-drenivohitra. Hita eo anivon’io fiaraha-monina io daholo mantsy ny zava-mitranga rehetra amin’ireo tanàna misy eto Madagasikara, hoy i Hanta Ratiarison, tompon’andraikitra misahana ny

fandaharanasan’ny Fifampiofanana Fanabeazana Fikolokoloana ho Malagasy Mahomby. Saro-pady rahateo ny vanim-potoana misy ny firenena Malagasy ankehitriny taorian’iny krizy lavareny namotoka ny fiainam-bahoaka iny. Miantoka betsaka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiaraha-monina Malagasy ny fahaiza-manao miampy ny fahalalan’ireo mpitondra ny zava-misy marina ao amin’ny tany iadidian’izy ireo, hoy ny fanampim-panazavany. Ahitana lesoka maro ohatra ny fitantanana ny renivohitr’i Madagasikara ka goavana indrindra amin’izany ny fanadiovana ireo boriboritany enina. Hita ho sahirana tokoa mantsy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’ny fitantanana ireo fako mivangongo manerana ireo fokontany 192. Azo atao tsara anefa ny manabe sy mampianatra ny olona tsy handoto ny tanàna. Tokony ampiharina ny fanasaziana toy ny any amin’ireo firenena afrikana rahavavintsika raha ilaina. Fomba hita any Mozambika ohatra ny mametraka polisy monisipaly sy nasionaly isaky ny 50 metatra manara-maso ny fandotoana ny arabe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT