Politique

Fitantanana fifidianana Ilaina fifanakalozan-kevitra lalina sy matotra


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Tsy nahafa-po ny vokatra nandrasana tamin’ny fanavaozana natomboka tamin’ny fifidianana notanterahana teto Madagasikara ny taona 2013, hoy ireo fikambanana mijery sy manara-maso ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Fanatsarana nentina, ohatra, ny fametrahana rafitra mahaleotena mikarakara ny fifidianana na koa ny fampiasana biletà tokana ialana amin’ny hosoka sy ny tsy mangarahara. Tsapa tamin’ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena ambany anefa fa fifidianana tsy marina sy tsy azo itokisana no niseho teto amin’ny firenena. Namaly ny antson’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana tokoa ny fiarahamonim-pirenena hanome ny heviny momba ny fandrafetana ny komity na vaomiera vaovao handimby ny Cenit saingy mihevitra kosa fa tena ilaina ny fifanakalozan-kevitra lalina sy matotra amin’ny fitantanana ny fifidianana iray manontolo fa tsy mijanona fotsiny amin’ny fananganana ny rafitra mpikarakara azy.

Fiandaniana amin’ny mpifidy

Soso-kevitry ny fiarahamonim-pirenena avy amin’ny SeFaFi, Gen, Kmf/Cnoe, Cde ary ny Liberty 32 ny famerenana tanteraka ny dinika fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara tahaka ny lalàna mifehy ny fifidianana na ny fanisam-bahoaka miaraka amin’ny fanomezana kara-panondrom-pirenena sy ny fandrafetana ny lisi-pifidianana. Dingana tokony hirosoana ny fananganana vondrom-paritra mpandinika ny nety sy ny tsy nety hisintonana ireo tolo-kevitra havadika ho tolo-dalàna mialoha ny handinihan’ny Antenimiera azy. Tanjona goavana sady farany moa ny fanatanterahana fifidianana miandany kokoa amin’ireo mpifidy, hoy ireto fikambanana mpanara-maso ny fiainam-pirenena ireto.

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Ilaina ny adihevitra amin’ny fitantanana ny fifidianana eto Madagasikara, hoy ny fiarahamonim-pirenena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT