Hiisa 22 ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotarihin`ny praiminisitra vaovao ho avy eo fa tsy ho 30 mahery. Tombanana fa mety ho fitsitsiana izao, araka ny nambaran`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.
Ny olana anefa dia efa napetraky ny filoham-panjakana tamin`ny didy hitsivolana tamin`ny 27 desambra 2018 ny tetibolam-panjakana 2019 mifanaraka amin`izay minisitera misy teo. Araka izany, hifanitsaka andraikitra ireo minisitera nametrahana ireo tetibola misy. Eo ihany koa, hitombo ny andraikitra sy ny iraky ny minisitra. Araka ny fiheverena azy, hametraka governemanta teknisianina ny filoha vaovao mba hanamora sy hifehy ny fitantanana raharaham-panjakana. Tsy ny fampidiram-bola eo amin`ny fanjakana (recette publique) ihany no tena ilaina fa eo koa ny fanenana ny fandaniam-bola (reduction de depenses de l`Etat). Ny isan`ny minisitra ihany mantsy no mihena fa hitombo ireo departemanta ao anatina minisitera. Marihina fa ny isan`ny minisitera dia mifanandrify foana amin`ny isan`ny kaomisionina eo amin`ny Antenimieram-pirenena. Raha ny lojika, amin`ny fitantanana raharaham-panjakana, indrindra ao anatin`ny telo volana voalohany toy izao dia ny manamafy orina ny efa misy no tokony hatao. Raha hiara-kiasa ny minisitera roa na telo izay hatambatra ho iray, hahomby ve ny fandrindrana asa, indrindra ny fiaraha-monina (cohabitation) ? Teo aza 30 mahery ny isan`ny minisitera tsy nisy asa vita ka ho vahaolana ve ny fanenana izany ? Raha io salan`isa io ve dia hanatanteraka ireo vokatra takiana haingana anatin`ny fotoana fohy ? Tsy tokony hisehoan`ny andrankandrana intsony ny fitantanana ny firenena amin`izao fotoana sarotra izao. Andao raisina amin`ny lafiny tsara dia ny hoe fifehezana fitantanam-bola amin`ny mangarahara no antony ary fenitra hapetraka isan-taona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.