Mampiaka-peo amin’ny fisian’ny risoriso eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny ireo administratera sivily. Tena mandoto sy manala baraka ny asanay ny fisian’ny olona tsy mahay, tsy nianatra
ary tsy niofana akory momba ny fitantanan-draharaham-panjakana teny amin’ny ENAM kanefa mahazo toerana sy miedinedina milaza fa izy ireo no tena sangany, hoy izy ireo omaly. Tena misy ny olona manomana dosie any ambadibadika any fotsiny dia mahazo toerana, hoy ireto administratera sivily ireto, tsy mahafantatra ny fototry ny zavatra ataony akory anefa ireny olona sasany ireny, araka ny fanazavana voaray ihany. Manatanteraka ny asam-panjakana madiodio araka ny voarakitra ao amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ary tsy tokony hanao politika sy hiresaka politika mihitsy ny administratera sivily. Miompana amin’ny fanasoavana ny vahoaka ny asa ary azo ambara fa tena tantsoroka ho an’ny asa fampandrosoana eny amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izy ireo. Tsy araka izany anefa ny zava-misy fa dia lasa fitaovan’ny fahefana politika ny lehiben’ny distrika sy ireo prefe ka matetika mihitsy mampiasa ny fahefany hanomezana vahana ny antokon’ny fitondrana. Misy koa ireo administratera sivily tsy menatra intsony maneho hevitra no sady manohana firehana politika iray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.