Politique

Fitantanan-draharaham-panjakana Ahiana hiverina ny gaboraraka


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Tafiditra ao anatin’ny Repoblika fahefatra tapany faharoa isika amin‘izao fotoana. Raha ny tapany voalohany no hanaovana jery todika, vanim-potoana tena nanjakan’ny gaboraraka sy ny tsy fahaiza-mitantana nandritra ny dimy taona naharetan’ny tetezamita.

 

 Ny Filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, dia  niantehitra tamin’ireo olona nampiakatra azy ho Filoha tamin’izany sady tsy nanana ny fahefana azony tamin’ny vahoaka. Hany ka gaboraraka ny fitantanana ary nanjaka ny fanararaotana mihoapampana nataon’ireo  olona nanohana azy. Niantona rahateo koa ny lalàmapanorenana sy ny Andrim-panjakana rehetra, tsy nandeha ara-dalàna ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny sata repoblikanina mihitsy no niantona ny fampiharana azy nandritra ny tetezamita. Folo taona aty aoriana, lany ho filoham-pirenena tamin’ny fomba demokratika i Andry Rajoelina. Betsaka no manoahana azy, betsaka koa vina sy nolazainy tsy maintsy hotanterahiny. Tsy tokony hananan-kavana ny fitondram-panjakana ka tokony hailika ivelan’ny fitondrana izay olona heverina fa nanao ny tsy mety, indrindra ireo olona tsy afaka hanatanteraka io vina io. Mila atao mitovy tantana ny fizarana ny harem-pirenena amin’ireo faritra na ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana. Tokony hiady amin’ny tsy fanekena ny tsimatimanota (lutte contre l’impunité) ao anatin’ny fitondram-pankajana ary tena apetraka tokoa ny tena fanadiovana ny raharaham-panjakana. Ananan’ity Filoham-pirenena vaovao ity ve ny fahendrena hahafahany mijery ny tena andraikitra hiantsorohany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT