Nitohy tao an-dapan’i Tsimbazaza omaly tao anatin’ny fivoriana nitambaram-be ny fifanazavana ny zava-misy teo amin’ny Kestora III eny amin’ny Antenimiera, ny depiote Guy Rivo Andrianarisoa sy ny depioten’Atsimondrano
fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Jaona Elite. Tsy namelan’iry mpikambana ao amin’ny birao maharitra mihitsy raha tsy neken’ny filohan’ny Antenimiera sy ireo solombavambahoaka namany ny nitondra fanazavana amin’ny asa vitany amin’ny fanaraha-maso ny resa-pitantanana, indrindra ny ara-bola eny anivon’ity rafi-panjakana ity mba nentiny namaliana ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nandoto azy sy ireo mpikambana namany ao amin’ny birao maharitry ny Antenimiera ary nampian’ny kestora voalohany ihany koa aza izy tamin’ny fanazavana ny zava-misy nentiny. Mbola niverimberina teny an-toerana ny hoe : aoka hahay hamaky izay zavatra natolotra azy ireo depiote. Mbola naverin’ny depiote Jaona Elite kosa ny faniriany ny hamoahana ny mangarahara amin’ny fitantanana eny anivon’ity Antenimieram-pirenena ity. Ary niangavy an’ireo milaza ny tenany ho mahay izy mba hampianatra ny dondrona, araka ny feo nandeha. Tena fifanasana vangy tsotra izao no niseho teny amin’ny Antenimiera teo amin’ireo olona telo voalaza teo ireo fa samy namoaka ny antontan’isa ananany avy ny roa tonta ary milaza ny hampiantso mivantana ny minisitry ny fitantanam-bola hifanatri-tava sy hifanaza mivantana aza tamin’ny farany ny depiote Jaona Elite.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.