Miroso amin' ny fiatrehana ny fifidianana isika ary efa vonona avokoa ny pitsopitsony ara-teknika, tafiditra ao anatin’izany ny eo amin'ny lafiny filaminana.
Efa mandray fepetra mahakasika ny fitandroana ny filaminana mantsy ny fitondram-panjakana sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Misy paikady manokana na "plan de sécurité électorale" izay tarihan'ny OMC na Organe mixte de conception, amin'ny alalan'ireo lehiben'ny distrika avy amin'ny faritra iadiadian'ny tsirairay. Araka ny lalàna dia tsy azon'ny miaramila atao ny mihaodihaody eny akaikin'ny biraom-pifidianana, fa efa misy kosa ny toerana manokana hametrahana azy ireo ary ny filohan'ny biraom-pifidianana irery no mahalala izany toerana izany. Fifidianana ao anatin' ny filaminana rahateo no katsahin'ny rehetra, ka antenaina mba ho lavitry ny ratsy rehetra ny andron'ny fahafiton'ny volana novambra taona 2018.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.