Samy manana ny heviny na olon-tsotra na mpanao politika na mpitondra fikambanana manoloana ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, izay mitaky ny hanemorana fifidianana. Hoy izy ireo :
Désiré Rafidimanana, filohan’ny fikambanana Tanora Mijery ny Hoavy (TMH) : “Efa izao ve no zava-misy dia mbola hahemotra ihany ny fifidianana ? Kajikajy politika ny fikasana hanao izany aminay. Efa fantatra ny ao ambadika. Inona moa no ahafahanao milaza fa hikorontana ny firenena raha amin’izao no hanaovana fifidianana ? Aminay dia tompon’andraikitra izay sahy milaza fa ra mandriaka no hitranga raha fotoana toy izao no hanaovana fifidianana.” (SARY 1)
Rado, Olon-tsotra : “Tsy matoky tena izay mitaky fanemorana fifidianana. Ny fotoana mandeha, ny fijaliana sy fahantrana koa. Noho izany mila fifidianana. Maika hanova ny fitondrana manahirana azy ankehitriny ny gasy.” (SARY 2)
Zaka, olon-tsotra : “Manahirana ny hanao fifidianana amin’izao. Na ny CENI na ny HCC samy efa naneho fa tsy azo itokisana aloha hatreto.”
Gaby Vakiniadiana, mpanao politika: “ Tenin’olon-dehibe ireny an’ny amiraly Ratsiraka ireny. Tsy te hahita korontana izy ary marina tokoa anie fa 5 taona no fotoam-piasan’ny filoham-pirenena fa tsy latsaka 60 andro e e ! Aleo mifandamina aloha. Ny mahantra samy mahantra rehefa miray hina dia mahavita zavatra tsara. Toy izany koa ny samy manan-tsaina. Iza amin’ireo kandida ireo moa no manome antoka fa raha tsy ho lany izy na ny mpanohana azy dia tsy hikorontana ? Matahotra ra izahay fa tsy matahotra fifidianana. Ny firenena koa anefa tsy omena ny hafa !” (SARY 3)
Nanangona: J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.