Tonga nanatitra ny taratasy fitakian’izy ireo ny hanafoanana ny fifidianana izay nitranga ny 7 novambra teo tetsy amin’ny CENI Alarobia omaly ireo hery politika isan-karazany toy ny firaisankinan’ireo kandida sy fikambanana politika maro sy ireo mpanaradia azy.
Noraisin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana moa ny taratasy fangatahana. Efa nahian’ny rehetra ny zava-miseho ankehitriny, hoy ny filohan’ny vovonana Antso fanavotam-pirenena na AFP, Faniry Razafimanantany, izay efa farim-peo mihitsy nitari-tolona sy nihogahoga teny an-toerana, ary efa nezahina nosorohina fa tsy nisy nihaino. Ankehitriny na ireo kandida nivavaka amin’ny CENI aza manompa azy. Ny hetsiky ny olom-pirenena sy ireo hery politika anio (TTF : omaly) dia fitakiana ny fanafoanana ny fifidianana, hoy hatrany izy. Raha mbola hikiry hanao fihodinana faharoa isika dia vao mainka zava-doza noho izao no hitranga. Izay no antony hoe « refonte » na fanadiovana tanteraka no atao. Hovoriana ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpitsara ary izay rehetra tompon’andraikitra amin’ny fifidianana dia adihevitra vaovao indray no hosokafana. Aleo mandamina zava-baovao ao anaty volana vitsivitsy toy izay manohy zavatra efa fantatra fa hiteraka korontana eto amin’ny firenena, hoy ny namaranan’ity mpanao politika ity ny teniny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.