Politique

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana


  • Talata 15 Janoary 2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

 Efa hatramin’izay io. Tahaka ny mofomamy no hiheverana io toerana io, ka raikitra ny ady sisika sy karazana pi-maso samihafa. Mandeha ny fivoizana amin’ny hoe : izahay fikambanana avy atsy na avy aroa, dia manosika an-dRakoto na Rabe hatao minisitra. Ny sasany indray, manomboka sady manao pi-maso no toa manao tery an-kolaka amin’ny hoe : izahay dia nampandany anao ary nahazo isam-bato ambony ianao taty. Saika tahaka izany hatrany no fomba fiady dia ny fampitenenana ireo karazana fikambanana zanaky ny Faritra. Ahitana izany, ohatra, ny avy amin’ny Faritra Anôsy dia ezahina voizina ny manantena ny depiote iray ho lasa minisitra. Any Antsiranana, dia misy ny fikambanana asaina mivoy fa tokony ho avy any amin’izy ireo hatrany ny praiminisitra ka mila tazonina Atoa Ntsay Christian,… Maro ireo fanehoan-kevitra miendrika fitadiavan-tseza taorian’ny nanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa lany ny kandida Andry Rajoelina, hany ka na ireo tsy nitovy hevitra sasany aza tsy vitsy ny misarizoro sy te hanao sakaizan’ny mpandresy. Mahalala ny tokony hataony ilay filoha lany, saingy mba fomba fiady ilay fanaovana pi-maso sao hadino angamba. Raha ny voka-pifidianana nambara fa nahazoan-dRajoelina fandresena, dia saika ny tany amin’ny faritra no nampandany azy, ka ho hita eo raha hifanaraka amin’izany ny fizaran-tseza. Raha mandeha araka ny tokony ho izy ny resaka fitsinjaram-pahefana, tsy misy olana izany. Ny fahaiza-manao ihany koa anefa no tokony hibaiko amin’ny fanomezan’andraikitra, fa tsy hatao tahaka ny mizara mofomamy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT