Politique

Fisorohana ny vato maty Nanome toromarika ny CENI


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Taorian`ny fahatongavan`ireo biletà tokana avy atsy Afrika Atsimo ny 07 desambra lasa teo dia efa tonga any amin`ireo distrika manerana ny nosy ireo fitaovanam rehetra ampiasaina amin`ny fifidianana ankoatr`ireo distrikan`i Morafenobe sy Maintirano izay tsy maintsy mandeha fiaramanidina.

 

 

  Mampanatena kosa ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa tsy maintsy tonga any amin`ireo faritra alohan`ny 16 desambra sy any amin`ireo biraom-pifidianana miisa 24 852 ny biletà tokana sy ireo fitaovana. Raha ny fanazavana hatrany, maro ny fepetra noraisin`ny CENI mba hisorohana sy tsy hiverenenan`ireo lesoka izay nitranga sy olana tamin`ny ny fihodinana voalohany farany teo. Tsikaritra ihany koa ny fahamaroan`ny vato maty nandritra iny fihodinana voalohany iny. Nametraka toromarika ny CENI ka “stylo à bille” no ampiasaina mandritra ny androm-pifidianana fa tsy “feutre” intsony. Rehefa mazava tsara ny safidy ataon`ny mpifidy amin`ny faritra iray natokana ho an`ny kandidà  eo amin`ilay biletà tokana dia vato manankery avy hatrany. Omena izay toromarika izay ny rantsamangaikan`ny CENI mba ampihena ny fahadisoana nifanaovana amin`ny safidin`ny mpifidy. Ho jerena manokana ihany koa ny fizarana kara-pifidianana izay miisa 693 000. Nandroso vahaolana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, ka nisy ny fifampiresahana tamin`ny minisiteran`ny atitany izay tompon’andraikitra voalohany an`ireo lehiben`ny fokontany izay manana andraikitra amin`ny fizarana kara-pifidianana. Manantena ny CENI fa hozaraina ireo 90%-n`ny kara-pifidianana eny am-pelatanan`ireo tompon’andraikitra eny ifotony mialoha ny fandatsaham-baton`ny fihodinana faharoa. Manentana ny olom-pirenena sy ny fokontany ny CENI handray andraikitra ka mba samy hanana ny kara-pifidianany avy ireo mpifidy manerana ny nosy amin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny 19 desambra.

 

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT