Politique

Fisorohana ny savorovoro Ravao ny HCC sy ny CENI, hoy ny SECES


  • Zoma 01 Jona 2018

Iaraha-mahalala fa nisy ny krizy niverimberina teto amintsika satria mivangongo any amin’ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana rehetra sy ny fanendrena olona ho tomponandraikitra ambony, anisan’izany ny mpikarakara fifidianana,

hany ka voka-pifidianana tsy mazava, tsy araka ny safidim-bahoaka, feno kolikoly no nisy teto Madagasikara, hoy ny fanambaran’ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo mitondra ny datin’ny 17 mey 2018. Tsy vahaolana ny krizy ara-politika miverimberina sady midika ho kajikajy politika ahazoana fahefana tsotr’izao ny fanatanterahana fifidianana ankamehana sy antematemaka, hoy hatrany ny ampahany ao anatin’ny fanambarana. Toa efa tsinjon’ny SECES ihany koa angamba ny hafitsoky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, izay namoaka didy hafahafa sy miteraka adihevitra be mikasika ny fitoriana ny fanesorana ny filoha. Mila manova lalàm-pifidianana mazava voadinika tsara isika, neken’ny rehetra ary andraisan’ny maro anjara sady tsy manilika na iza na iza no mila hajoro eto Madagasikara, ka antenaina fa hoeken’ny rehetra ary miantoka ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Mila ravana noho izany ny HCC, ary torak’izany ihany koa ny CENI, ary tokony hojerena akaiky ireo rantsa-mangaika mpikarakara fifidianana, izay takiana ny hampahaleo tena azy tanteraka, hoy hatrany ny SECES. Mila apetraka isam-pokontany ny rafitra mifototra amin’ny teknolojia avo lenta voaaro amin’ny hosoka, hahafahana mamoaka ao anatin’ny iray andro ny voka-pifidianana sy hisorohana ny famadihana ny safidim-bahoaka, hoy hatrany ny SECES.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT