« Rehefa inona ny mpanao gazety no mifanohana mampiaka-peo tahaka ireny hita tamin’ny sary tamin’ny sabotsy 28 martsa lasa teo ireny ? », hoy Atoa Randrimamiarizafy Ignace avy any Moramanga.
Ekena fa nisy fanambanana basy, hoy izy, fa raha ny nahazo ny mpanao gazetin’ny Radio teo aloha (nandritra ny fitondrana tetezamita) tamin’ny fisamborana azy ireo ve lasa tsy tsaroana ? Tsy vitan’ny hoe voaambana sy voarahona izy ireo tamin’izany fa nanjavona hatramin’ny fitaovam-piasana sasantsasany. Aleo mba hampitovian’ny mpanao gazety ny mahazo ny namany am-panaovana ny asany fa tsy laroina resaka politika an-kitsirano izao izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.