Tsy nipetra-potsiny ireo masoivohom-pirenena vahiny miasa sy monina eto Madagasikara vao nandre ny fisamborana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fomba mamohehatra sy feno habibiana nataon’ny Emmo-Reg teny an-tranony teny Faravohitra omaly tolakandro
Fotoana fohy taorian’io, araka ny loharanom-baovaonay, dia nisy vehivavy solontenan’ireo diplaomaty vahiny nandeha nihaona tamin’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, talohan’ny nanaovan’ity farany fanambarana omaly hariva, nanontany ny heviny. Raha ny tsiliantsofina re dia tsy hanasaro-javatra ny mpitondra fa hanao izay hisian’ny fitoniana, manomboka amin’ny fiarovana ny ain’Atoa Ravalomanana. Omaly alina ihany dia re fa efa nisy fifampidinihana ho amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.