Politique

Fisamborana an’Andriamananoro Fanakonana zavatra hafa, hoy ny “We are one”


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Namoaka fanambarana tetsy amin’ny hotely iray lehibe etsy Ampandrana omaly ny fivondronan’ireo mpanohana ny filohan’ny vondrona Mapar, Andry Nirina Rajoelina, izay mametraka ny teny filamatra hoe “We are one” izay adika malalaka hoe “iray isika”

 

 manoloana ny tsy fankasitrahana ny toe-draharaha mihatra amin’ny minisitra teo aloha Augustin Andriamananoro. Fandrebirebena saim-bahoaka, raha ny fanamarian’izy ireo ny fisamborana ity farany satria dia efa samy nidina tany Soamahamanina toa azy avokoa na ny praiminisitra iray teo aloha na ny depiote Christinne Razanamahasoa kanefa dia naninona no tsy nosamborina ? Efa namonjy fivoriana iray teny Andrefanambohijanahary ihany koa ity minisitra nadoboka am-ponja ity, raha ny fitantaran’ireto fikambanana ireto no sady efa nanotrona rindran-kira iray kanefa dia taorian’ny fipoiran’ny raharaha Claudine Razaimamonjy vao nosamborina. Hanaronana ny sain’ny vahoaka, hoy izy ireo, izany ilay izy fa misy mpangalatra tsy samborina eto. Fikambanana 3 moa no ao anatin’ity fivondronana ity dia ny pro A.N.R, CS A.N.R ary ny T.M.H na ny tanora miandrandra ny ho avy. Manome fe-potoana hatramin’ny talata izao moa izy ireo handrenesana valiny mahafa-po amin’ireo tomponandraikitra ary mitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro ny minisitra teo aloha Andriamananoro.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dany Rakotoson
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tsy faritantsika ny lalan-kizorana»

  • FIKIRAKIRANA
  • Zoma 06 Novambra 2026

FIFIDIANANA

  • ZAFIVAO
  • Zoma 06 Novambra 2026

JEAN LOUIS

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • FitsarĂ na avo
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

momba ny lalĂ mpanorenana

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

Hijery ny tohiny
FTT