Politique

Firenena Alemana Manara-maso akaiky ny fifidianana


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Anisan’ireo firenena manohana ara-bola ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara i Alemaina ka nanolotra vola ao anatin`ny kitapom-bolan`ny SACEM izay mitentina 341 000 USD entina hanapiana ity CENI Madagascar ity hikarakarana fifidianana eto Madagasikara.

 

Tsiahivina fa ny volana septambra farany teo dia efa nisy ny vola fanampiana tany amin`ity firenena ity nitentina 585 000 USD teo aloha. Araka izany, vola mitentina 926 000 USD ny fanampiana nentina ho an`ny CENI hanampiana ihany koa ny fahabangana ao anatin`ny kitapobolan`ny SACEM. Efa feno kosa ny fepetra hafahan`I Madagasikara miatrika an-kalalana ny fifidianana amin`ity taona ity raha ny nambaran`ny masoivohon`ny Alemaina, Sem Harad Gehrig. Noahamafisiny fa tsy misy intsony lisi-pifidianana tonga lafatra ampiasaina amin`izay fifidianana izany ka tsy tokony atao sakana velively izany. Ny fifidianana irery ihany koa hoy hatrany ny masoivohon`ny firenena Alemaina no fomba iray hanehoan`ny vahoaka Malagasy ny safidiny sy ny heviny ka ny vahoaka ihany no tompon`ny fahefana. Dingana maro no vitan`ny CENI amin`ny mba halavorary izany fifidianana izany toy ny fametrahana ireo biraom-pifidianana maherin`ny 24 000 manerana ny nosy. Antenaina fa fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra no hisy ka na ny mandresy na ireo resy dia samy hanaiky izay vokatra mivoaka eo.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT