Mandrisika hatrany ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara amin’ity taona ity i Alemaina, hoy ny masoivohony Atoa Harald Gehrig omaly teny amin’ny Villa Berlin nandritra ny lanonana nahatsiarovana ny fitambaran’i Alemaina taorian’ny nirodanan’ny rindrin’i Berlin.
Avelao ny vahoaka haneho ny heviny, hoy ity diplomaty ity ka amin’ny alalan’ny fiifidianana no hanatanterahana izany. Antenaina fa fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra no hisy ka na ny mandresy na ireo resy dia samy hanaiky izay vokatra mivoaka eo. Ny fifidianana no laharampahamehana ka rehefa vita io dia ho hita eo indray ny dingana manaraka, tahaka ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, Anisan’ireo firenena manohana ara-bola ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara i Alemaina ary milaza fa vonona amin’ny torohevitra sy ny fanampiana izay ilaina mba hahatomombana ny fifidianana. Vola mitentina 500 000 euros moa no narotsak’ity firenena ity ao amin’ny kitapom-bola hikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.