Politique

Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara Manameloka ny fampiasan-kery ataon’ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 08 Janoary 2019

Fampiasana fitaovam-panjakana sy fampiasan-kery no misy amin’izao fotoana izao, hoy ny firaisankinan’ny sendika eto Madagasikara. Afaka mandray andraikitra ny amin’izay mihoa-pefy ny tafika, hoy izy ireo fa tsy ekena kosa ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso maro be toy ny misy amin’izao fotoana.

 

 

 

 Mihemotra ara-demokrasia sy ara-tsosialy indray ny firenena ary ho latsaka an-katerena raha izao no mitohy. Ny firenena mandroso sy matanjaka ary manankarena dia ireo firenena tena malalaka amin’ny fanehoan-kevitra ary tokony handraisan’i Madagasikara lesona hatrany izany. Tena tsy vahaolana mihitsy io fampiasan-kery ataon’ny mpitandro ny filaminana io ary vao mainka miteraka fanakorontanana, hoy hatrany izy ireo. Etsy an-daniny dia nitodika tamin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany koa izy ireo mba hamoaka ny valim-pifidianana tena marina amin’ity anio ity. Aoka mba ho tena valiny hatokisana no hiseho sy hivoaka ary matoky tanteraka ny fahendren’ny HCC izy ireo.

Tsirinasolo

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT