Tsy maintsy haverina ny fanaovana ny lisi-pifidianana satria ny 50%- n’ny mpifidy no tsy tafiditra ao, hoy ny kandida Fanirisoa Ernaivo nandritra ilay fihaonamben’ny firaisankinan’ireo kandida teny amin’ny CCI Ivato omaly.
Be loatra ny tandrevaka sy ny zavatra mampiahiahy ary tena misy akony any amin’ny voka-pifidianana io olom-pirenena maro be tsy tafiditra ao anaty lisitra io, hoy izy. Miisa 20 mianadahy izy ireo no tonga teny Ivato omaly. Nitombo ny isan’ny mpifidy sy ny birao fandatsaham-bato saingy hosoka avokoa izany. Diovy fa feno hosoka ny fifidianana, hoy ireto kandida ireto. Nanamafy io fanadiovana tanteraka ny lisi-pifidianana io ihany koa ny kandida Patrick Rajaonary. Mety hitarika savorovoro aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana mantsy io tsy fetezana io, hoy izy. Atrehana eo ambany fitantanan’ny CENI izany asa izany ary hanana solontena ao ireo kandida, hatao faran’izay haingana ihany koa ny fihaonambem-pirenena mba handinihana sy hanapahan-kevitra ny amin’ny fanitsiana ny zava-drehetra mifandraika amin’ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’ny fehin-kevitra nivoaka teny amin’ny CCI Ivato omaly ihany koa ny fananganana rafitra iray hitsara momba ny fifidianana tahaka ny CES nandritra ny fitondrana tetezamita. Mila fotoana maharitra anefa io fanokafana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana io ary azo antoka fa hampihemotra ny datim-pifidianana. Hifanao fotoana eny Ambohijatovo anio ireo kandida ireo ka hanatitra ny fehin-kevitra eny amin’ireo andrim-panjakana. Milaza ny hampitsahatra ny fampielezan-kevitra ihany koa izy ireo. Tsy nisy tonga nanatrika ny fihaonana teny Ivato moa ny CENI sy ny governemanta ary ny FFKM izay samy nasain’ireto kandida ireto.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.