Namoaka fanambarana iombonana tetsy Tsaralalana omaly ry zareo avy eo anivon’ilay firaisankinan’ireo kandida ho filoham-pirenena nisafidy ny tsy hanohana na iza na iza amin’ny
fihodinana faharoa fa hitohy ny fitakian’izy ireo ny fahamarinana manoloana ny tsy fetezana rehetra mbola mitohy ao anatin’izao fanatontosana fifidianana izao. Namana daholo, hoy ny kandida Tabera Randriamanantsoa na Rajoelina na Ravalomanana, saingy tsy ekena raha mbola io lisitra efa naha be resaka io ihany no hanatontosana ny fihodinana faharoa. Anisan’ny takian’ny kandida, Jean Jacques Ratsietison amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana koa anefa ny lalan’ireo bileta tokana tsy nampiasaina rehetra tamin’iny fihodinana voalohany iny, izay maherin’ny 6 tapitrisa isa tany ho any, hoy izy. Ny kandida Arlette Ramaroson moa dia mbola nanamafy fa valim-pifidianana politika ireny navoakan’ny HCC ireny. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny, hoy izy. Samy mpahay lalàna ny tenako sy ny filohan’ny HCC ka tokony hieritreritra izy satria ny tena mampalahelo amin’izao dia hampiady an-dRavalomanana sy Rajoelina nefa avy eo ny vahoaka no mizaka ny vokany. Tsy maintsy hiteraka korontana izao, hoy ity mpahay lalàna ity fa valiny tokony hifanaraka amin’ny lalàna no hampiharina. Tsofinay rano kosa anefa, hoy izy ireo, izay nisintaka sy nisafidy ny iray amin’ireo kandida roa sisa saingy izahay kosa dia hanohy ny hetsikay mandritry ny fampielezankevitry ny fihodinana faharoa. 7 mianadahy moa, raha ny voambara, ireo kandida nanasonia ny fanambarana dia ny kandida Haingo Rasolofonjoa, Tabera Randriamanantsoa, Arlette Ramaroson, Jean Jacques Ratsietison, Bruno Rabarioelina, Didier Ratsiraka ary Marcellin Andriantseheno.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.