Taorian’ny fivoahan’ny valim-pifidianana ho filoham-pirenena, fihodinana voalohany, ny alarobia teo hatramin’ny omaly zoma aloha dia fantatra fa mbola miara-mikaon-doha amina toerana iray etsy Tsaralalana ry zareo avy eo anivon’ny firaisankinan’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 25.
Niaraha-nahalala fa tsy nisy nahafa-po azy ireo ny valim-pitakiana sy fitoriana napetrany teny anivon’ny HCC ary dia paikady vaovao indray izany no mety hanohizana ny tolona. Raha ny heno dia misy amin’izy ireo no maniry hanohana ny 1 amin’ireo kandida roa lahy hiatrika fihodinana faharoa. Etsy an-kilany anefa dia mitoetra foana ny fametrahan’izy ireo ny maha laharam-pahamehana ny fanorenana ifotony. Anisan’ny takian’ny kandida, Jean Jacques Ratsietison, amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana koa anefa ny lalan’ireo bileta tokana tsy nampiasaina rehetra tamin’iny fihodinana voalohany iny, izay maherin’ny 6 tapitrisa isa tany ho any, hoy izy. Ny kandida Arlette Ramaroson moa dia mbola nanamafy omaly fa valim-pifidianana politika ireny navoakan’ny HCC ireny. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny, hoy izy. Samy mpahay lalàna ny tenako sy ny filohan’ny HCC ka tokony hieritreritra izy satria ny tena mampalahelo amin’izao dia hampiady an-dRavalomanana sy Rajoelina nefa avy eo ny vahoaka no mizaka ny vokany. Tsy maintsy hiteraka korontana izao, hoy ity mpahay lalàna ity1, fa valiny tokony hifanaraka amin’ny lalàna no hampiharina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.