Nifampotoana tetsy anoloan`ny kianjaben`i Mahamasina ireo kandidà maherin`ny roapolo izay namoaka fehin-kevitra iombonana nandritra ny fihaonambem-pirenena izay natao omaly teny amin'ny CCI Ivato ny alakamisy lasa teo.
Fotoana fohy niresahan`izy ireo tamin`ireo olona tonga teny an-toerana mikasika ny vontoatin`ny fitakiana izay atao amin`ny tokony hanokafana ny lisi-pifidianana. Nihazo teny amin`ny lapam-panjakana hiasan`ny filoha mpisolo toerana, Rivo Rakotovao, hanatitra izany fehin-kevitra tapaka izany. Anisan`ireo solontenan`ireo kandidà nanatitra izany i Jean Max Rakotomamonjy, Fanirisoa Ernaivo, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, ary ny Pastera Mailhol. Nilaza ny kandidà Jean Max Rakotomamonjy fa tsy maintsy manatitra fehin-kevitra izany amin`ireo tompon’andraikitra mahefa izy ireo toy ny CENI, ny HCC, ny CFM, Antenimierandoholona, Antenimieram-pirenena… Hialana amin`ny “fait de non-recevoir » na tsy misy valiny no anton-pisian`ny fe-potoana ka manome 72 ora an`ireo tompon’andraikitra izy ireo raha azo henoina ny fangatahana. Nohamafisiny ihany koa fa ny vahoaka tonga teny an-toerana dia mankato sy mahatsapa fa voahitsakitsaka ny zony. Mahatsapa ireo tsy fanarahan-dalàna izay misy ary manana fahavononana hanarina ny zavatra tsy mety eto amin`ny tany sy firenena. Ilaina ny fampajankana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna, hoy hatrany i Jean Max Rakotomamonjy. Tsiahivina fa anisan`ireo teboka enina (6) voafaritra ao ity hetsika ity. Andrasana ny mety ho tohin`ny hetsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.