Politique

Firaisamonim-pirenena Nahatsikaritra tsy fahatomombanana nandritry ny fifidianana


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nizotra amin’ny ankapobeny sy araka ny tokony ho izy ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa tamin’ny 19 desambra 2018 na dia teo aza ireo tsy fahatomombanana vistivitsy hoy ny ivontoerana SAFIDY.

 

 

 

Nandritra ny fampielezan-kevitra ny 4 ka hatramin’ny 17 desambra 2018, tamin’ireo komina 313 nanaovan’ny SAFIDY fanaraha-maso teo anivon’ny distrika 34, faritra 7 iasany, dia hita fa naharakotra ny antsasa-manilan’izy ireo ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà na ireo mpomba azy. Latsaky ny 8% ireo kaominina nanaovan’ny kandidà fampielezan-kevitra mivantana. Ny haino aman-jery malagasy dia nandrakotra ny zotram-pifidinana nandritra ny fihodinana faharoa. Raha miohatra ny tamin’ny fihodinana voalohany dia tsy dia nivoy loatra ny hetsika manohitra ny fifidianana izy ireo na koa ireo lahateny fanairana na ireo fanaratsiana ny CENI na ny HCC. Ny haino aman-jerim-panjakana dia nisafidy ny tsy nampita ireo tranga saropady (sensible) izay niparitaka tamin’ireo haino aman-jery tsy miankina nandritra ny vanim-potoam-pifidianana. Ny andron’ny fifidianana tamin’ny 19 desambra dia nizotra tao anatin’ny filaminana, amin’ny ankapobeny dia voahaja ny fomba fiasa na dia teo aza ireo lesoka sasantsasany hita. Nihena ny taha-pandraisan’anjaran’ny mpifidy raha niohatra ny tamin’ny fihodinana voalohany noho ny faharatsian’ny toetr’andro (rotsakorana), ny fanomanana ny fetin’ny faran’ny taona, ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy noho ny antony samihafa toy ny fitondrantenan’ireo kandida sy ireo mpanohana azy, ny tsy faharesan-dahatra amin’ny famaliana ny hetahetan’ny olompirenena, ny fotoam-pambolena...  Ny Ivontoerana SAFIDY dia maheno ny feo mandeha mikasika ny fisian’ny hosoka sy ny fihoaram-pefy rehetra nataon’ny kandida 2 tonta, ka manainga azy ireo sy ny mpifidy mba hiandry am-pahatoniana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny andrimpanjakana mahefa ary hanaraka ny ara-dalàna raha misy ny tsy fitoviam-pijery sy fanoherana ny valim-pifidianana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT