Politique

Firaisamonim-pirenena Mitsipaka ny fanemorana ny fifidianana…


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Nanao fanambarana mikasika ny raharaham-pifidianana ankehitriny ny fikambanana ROHY sy ny Transparency International Initiative Madagascar omaly tetsy Ambatonankanga.

 

Ny Hetsika ROHYsy ny TI-IM dia nanambara hatrany fa tsy manohana velively fifidianana izay tsy ho ara-dalàna sy hiteraka tetezamita indray ka hitondra fiantraikany ratsy mivantana ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka ka mitsipaka marin-drano ny fanemorana ny fifidianana sy ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana. Nitondra fanazavana, Rtoa Faraniaina Ramarsona, mpandrindra ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny fikambanana ROHY fa tsy misy lisi-pifidianana tonga lafatra izany ary araka ny fandinihana sy ny fanaraha-maso natao dia nanao ezaka goavana tokoa ny CENI teo amin’ny fanatsarana izany. Maharakotra biraom-pifidianana any amin’ireo toerana be mponina sy lavitr’andriana indrindra amin’ireo faritany enina (6) ny ROHY. Nanentana ireo kandidà kosa ny tenany mba hameno ny fametrahana delege any amin’ireo birao fandatsahambato 24.853 mba hisian’ny fanarahamason’ny fifidianana farany avo sy mirindra indrindra. Manao antso avo amin`ny CENI sy governemanta kosa ireo firaisamonim-pirenena mba hanome fanazavana ara-teknika fa tsy araka ny lalàna fotsiny ka hanao izany ampahibemaso ho an’ny sarambabem-bahoaka fa tsy ho an’ny kandidà ihany mikasika ny biraom-pifidianana, ny lisi-pifidianana, ny fampiasana teknolojia, sns... Miteraka tsaho sy fiahiahiana tsy voafehy mantsy ny tsy fahampian’ny serasera, hoy hatrany ny fanazavana. Mikasika ny fifandirana mikasika ny fifidianana sy ny valiny, ny Hetsika ROHY sy ny TI-IM ihany koa dia tsy momba ny fananganana Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana na CES (Cour Electorale Spéciale) amin’izao fotoam-pifidianana efa antomotra izao. Nomarihany fa manana rafitra hanampy ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena hitory sy hanara-maso raharaham-pitsarana mikasika ny fifidianana. Mampitandrina kosa ny ROHY sy ny TI-IM mikasika ny kolikoly goavana sy ny fomba mamohehatra tahaka ny fampiasam-bola sy fizaram-bola sy zavatra mihoapampana, fanomezana ho an’ny olom-boafidy sy manampahefàna (motos), fampiasana fitaovana maro sy goavana manararaotra ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, ny tsy fisian’ny mangarahara mikasika ny fiavian’ny vola sy ny tamby setrin’izany. Tompon’andraikitra avokoa ny rehetra amin’ny sehatra misy azy avy mikasika ny zava-misy ankehitriny koa tsy maintsy maneho fisainana matotra sy miainga amin’ny zava-misy mba tsy hamerenana ireo fahadisoana efa nisy teo aloha.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT