Politique

Firaisamonim-pirenena FTMF Hametraka fitoriana noho ny hosoka ara-pifidianana


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Nandray anjara feno tamin’ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena teo nanomboka ny taona 2001 ny Fikambanana FTMF (Fikambanan’ny Tanora Mandala fahamarinana mba ho fampandrosoana firenena).

 

 

 Niasa tamina faritra maro nanara-maso ny fifidianana fihodinana voalohany na ny fihodinana faharoa nifanandrinan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, araka ny fahazoan-dalana laharana faha-005/CENI/2018 avy amin’ny CENI ny 9 janoary 2018. Niparitaka tany ifotony ny fanaraha-maso na teo anivon’ny Birao fandatsaham-bato na teo anivon’ny Sampana mpanangona ny vokatry ny latsa-bato (SRMV) na teo anivon’ny CENI, nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana. Namoaka ny fehin-kevitra izy ireo ny sabotsy 29 desambra, ka nilaza mazava fa nisy ny fampiasana ny fahefam-panjakana. Mbola hita taratra, hoy ny FTMF ny fitsabahan’ny fanjakana mivantana indrindra ireo avy amin’ny minisiteran’ny atitany na ireo solontena isan’ambaratonga hatrany ifotony satria nibaribary ny fitanilana mivantana tamin’ny kandida iray. Nisy ny famoriana ireo filohan’ny fokontany sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana eny ifotony teo amin’ny faritra maro nanerena azy ireo hampandany kandida iray. Ny bileta tsy nisy laharana manokana na “numéro de série” ary nisy ny fahaverezana bileta tokana tany amina faritra maro. Tsy fahampian’ny fitanana an-tsoratra sy ny fisy fanisam-bato tamina toerana maro, ka nisy nampiasa “photocopie”, ary nisy aza efa ireo fitanana an-tsoratra tamin’ny fampiofanana no nampiasaina. Ny fampiasana hosoka ireo fitanana an-tsoratra izay tsy nisy “numero de series”. Ny famoahana ny fironana nataon’ny CENI niainga tamin’ny “PC Scannés” avy amin’ny SRMV fa tsy “PV Réel”. Tsy mangaraharaha ihany koa, hoy ny FTMF, ny fandraisana ny vokatra avy tany amin’ny Biraom-pifidianana nankany amin’ny SRMV maro. Teo ihany koa ny fanirahana sy ny fividianana olona handrotsaka bileta efa voamarika ary nomena vola ihany koa ny filoham-pokontany sy ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato hanova ny safidim-bahoaka … Noho ny fahatsapana ireo lesoka maro be dia ambaranay fa tsy tomombana mihitsy ny fanomanana sy ny fikarakarana ary ny fanatanterahana ny fifidianana, koa ho fanatrarana ny fahamarinana dia tsy maintsy hametraka fitoriana ny FTMF izay mifototra amin’ny porofo marobe, hoy ny fanambarana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT