Politique

Firahalahian’ny kandida 25 isa Tsy hihemotra amin’ny fitakiany


  • Talata 06 Novambra 2018

Tsy mitsahatra ny manamafy izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny firahalahian’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 25 fa ratsy karakara indrindra ity fifidianana indray mitoraka ity.

 

Efa naterina tany amin’ny filoham-panjakana, ny CENI, ny HCC ary ny praiminisitra ny porofo tamin’ny fotoana nitakiana izany, hoy ny kandida Imbeh Jovial. Nony voaray anefa io porofo izay efa an-jatony pejy io, hoy izy ireo, dia tsy dia noresahan’ny tomponandraikitra firy akory. Averina indray ny kajy. Manodidina ny 24.800 ny biraom-pifidianana ho ana mpifidy 9.915.000 eo. Raha toa ka mpifidy miisa 700 anefa no tokony ho ana birao 1 dia midika, hoy izy ireo, fa tsy tokony hihoatra ny 22.000 ny birao manerana ny nosy. Ny OIF matoa milaza fa tomombana ny fahafaha-miatrika ny fifidianana dia satria ny antontan-kevitry ny CENI no jereny. Hitombona anefa ve, hoy izy ireo, ny hoe ao Ihorombe no be mpifidy indrindra ? Inona ihany koa no ilana ny karatry ny mpifidy ho ampiana 2.000.000 tapitrisa fanampiny, hoy hatrany ny fanontanian’izy ireo. Nilaza moa ny kandida Jean Jacques Ratsietison fa misokatra isan’andro ny lisitra fa tsy misy izany lisi-pifidianana tsy misokatra izany intsony. Ny kandida Mailhol, hoy izy izao, vao haingana no nitaraina ho tsy tao anaty lisitra dia nampidirina. Ny solontenako ao amin’ny CENI ihany koa, hoy hatrany ity kandida ity. Efa niteny ny CENI fa 3 volana dia ampy hanarenana ny tsy fahatomombanana ka maninona raha atao, hoy hatrany izy ireo, fa izany ve dia tetezamita? Misy kandida eto nampiasa 180 tapitrisa dolara hanaovana fampihelezankevitra. Ny vola ampy hanaovana fifidianana iray anefa manodidina ny 60 tapitrisa dolara ary ny vahiny no miantoka ny ampahany betsaka. Tena voatery hiandry famatsiana avy any ivelany ve isika, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT