Hitondra rivo-baovao amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy ny fanendrena ny filohan’ny Cenit teo aloha Attalah Béatrice hisahana ny diplaomasia Malagasy, hoy ny lehiben’ny House of Madagascar Tiana Andria
. Tombony ho azy ny fankasitrahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fifidianana nosahanin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana nandritra ny tetezamita. Hanamora ny asam-pifandraisana amin’ireo firenena any ivelany io asa nisy vokatra efa niandraiketany ka nifampikasohany betsaka tamin’ireo vahiny mpiara-miombon’antoka io, raha ny fahitan’ity mpandraharaha azy ity. Efa miditra amin’ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy isika izao dia tokony hisokatra amin’ireo firenena rehetra eo amin’ny lafiny ara-politika ihany koa ho tombontsoan’i Madagasikara, araka ny fanazavany. Azo tanterahana tsara io fampandrosoana ny firenena io noho ny fitoviam-pijery tena mifanakaiky eo amin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Manana anjara andraikitra an-kitsim-po tsy misy ambadika amin’ny fahaiza-manao hananan’izy ireo amin’izany ihany koa ireo masoivoho Malagasy any ivelany, hoy ity tompon’andraikitra misahana ny masoivohontsika ao Hong Kong ity. Lesoka teo aloha teo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ny fisian’ny fanilikilihana teo amin’ireo diplaomaty mpiara-miasa, hoy Tiana Andria.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Tiana Andria, lehiben’ny House of Madagascar
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.