Eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana dia nivoaka tamin`ny fahanginany ireo mpikambana manoloana ireo tsikera sy fanakianana mihatra amin`izy ireo.
Tsiahivina fa niparitaka teny amin`ny tambajotran-tserasera ny fanambarana milaza fa nandray vola tamina kandidà ka manodinkodina safidim-bahoaka ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI). Ny zoma lasa teo dia efa nisy fanambarana navoakan`ity rafi-panjakana ity milaza fa misy andian`olona manararaotra hamafazana vaovao tsy marina sy tsaho isan-karazany ka mbola nisy fanamafisana izay fanambarana izay tamin`ireo mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Fanambarana hentitra no nataon`ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana, nilazany fa fampielezana vaovao tsy marina ka hitakiany porofo, izany hoe nandray volabe izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Niaiky ny filohan`ny CENI amin`ny famoahana ny voka-pifidianana saingy manaraka hatrany ny lalàna izy ireo. Raha ny lalàna manankery no jerena, hoy izy, dia fito andro aorian`ny fandraisana vokatra farany avy amin`ny SRMV (Section de Recensement de materiel de Vote) no tsy maintsy mivoaka ny vokatra vonjimaika. Nomarihany fa tsy maintsy miandry ireo P.V tena izy vao afaka mamoaka manontolo ny vokatra ka noferana ho amin`ny 20 novambra ny famoahana azy. Misy ireo miahiahy fa mitady hanodinkodina ny CENI amin`ny fitantanana. Notsindriny fa mijoro amin` ny fahamarianany izy ireo ary ny fahatarana dia vokatry ny fitandremana sy fahamailoana hatrany. Niaiky izy fa sarotra ny mitantana ny raharaha manodidina ny fifidianana noho ny nifanandrinan`ireo kandida mitari-dalana mamoaka vokatra amin`ny filazana fa samy hahazo ny fihodinana voalohany. Tsy misy dikany ny fihazakazahana izay mety hitera-doza ho an`ny firenena fa aleo manaraka izay voasoratra ao anatin`ny lalàna manan-kery. Nohamafisin`i Hery Rakotomanana fa tsy ara-dalàna ny famoahana vokatra ankoatra ity vaomieram-pirenena ity ka manao antso avo amin`ireo kandidà tsirairay avy ny CENI haniraka ireo mpisolotena azy hanara-maso ny zava-mitranga eny Alarobia sy eny amin`ny SRMV. Miantso ny vahoaka Malagasy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ao anatin`ny fotoana voalazan`ny lalàna ny vaomieram-pirenena misahana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.