Politique

Filohan’ny CENI “Mangarahara ny logiciel ary tsy nangala-bato izahay”


  • Zoma 23 Novambra 2018

Maro ny fanakianana niantefa tamin’ny CENI tamin’ny fikarakarana ny fifidianana tamin’ny alarobia 7 novambra kasa teo.

 

 

 

 Misy ny mitombina ary betsaka no tsy mitombina, raha ny nambaran’ny filohany Hery Rakotomanana omaly. Tsy fahafantarana ny lalàna manan-kery manodidina ny fifidianana, ny fientanam-po te hampandany safidy ary ny kajikajy politika sy ny hevi-petsy hahatongavana amin’ny tombontsoa manokana no anton’ireo fanakianana tsy mitombina, hoy izy. Raisin’ny CENI am-pitiavana sy an-kitsim-po hampisiana sy hampanjariana ny fifidianana manaraka ny kiana mitombina. Maro, hoy izy, ireo tsindry izay mianjady amin’ny CENI eo amin’ny fanatanterahany ny asany kanefa mijoro hatrany izy eo amin’ny tsy fitanilana sy ny fangaraharana ary ny fahaleovantena. Nohamafisiny fa ny vokatra vonjimaika izay navoaka tamin’ny 17 novambra dia azo tamin’ny fitsirihana ireo fitanana an-tsoratra (PV) rehetra avy any amin’ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Raha misy ny olana na ny fisalasalana ka mandidy ny fitsarana mahefa dia vonona ny CENI hamerina ny fanisana hifanatrehana isaky ny biraom-pifidianana. Mikasika ny rindrambaiko na ny “logiciel” nitantanana ny voka-pifidianana, izay nambaran’ny kandida Andry Rajoelina fa “truqué” ary nangalarana ny vatony dia nambarany fa tsy misy mampisalasala fa mangarahara tanteraka io. Tamin’ny 31 oktobra no naseho teny amin’ny foiben’ny CENI Nanisana, teo anatrehan’ny mpiara-miombona antoka rehetra izy io. Niantsoana manampahaizana iraisam-pirenena hitsirika azy ka ny SACEM no namatsy vola. Mazava ny fehin-kevitra nivoaka fa « mahitsy ary mangarahara io logiciel io », hoy izy. Misokatra ihany koa ny CENI, eo amin’ny fitsirihana ifanatrehana azy io, raha manome alalana mikasika izany ny fitsarana mahefa. Manamafy ny fahavononana amin’ny fampiatahana “confrontation”, raha omen’ny lalàna alalana ny CENI.  Noho izany, hajanony ny fanakianana be fahatany. Tsy misy ny hosoka, tsy misy ny fanodinkodinana na fangalaram-bato. Hatreto, tsy nisy na taratasy iray aza tonga taty aminay manamarina izany, hoy ny filohan’ny CENI.

Toky R/ Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT