Niala tamin’ny fampandaniana ny lalàmpanorenana petatoko tamin’ny taona 2010 nampanaovina azy ny Filohan’ny CENI ankehitriny Hery Rakotomanana, dia tratry ny kiana samihafa indray ankehitriny.
Raha tsiahivina, tamin’izany ny kara-pokontany aza nety sy navela hifidianana ny lalàmpanorenana. Mbola nanaiky natao fitaovana hampandany an-dRajoelina amin’ny alalan’ny hala-bato indray ve ankehitriny ? Raha ny tantara no zohiana, akaiky kokoa an-dRajoelina izy. Mihena ambany dia ambany ny taham-pahatokisan’ny olom-pirenena ny vaomieram-pirenena tantaniny. Na tsy zakany ilay andraikitra na misy ny kolikoly, ka iniana hikipiana ny fimenomenon’ny olom-pirenena. Toa maika ny hanipy baolina any amin’ny HCC izy. Tsy dia andrenesam-peo ny Filohan’ny CENI fa ny Lefiny Atoa Thierry Rakotonarivo no miteny matetika. Tsy maharaka na inona na inona amin’ny lalao maloto ve izy sa tsy te hahalala ? Tsikaritra ho fialokalofan’ny CENI ny fetran’ny fahefana faritan’ny lalàna. Olon’ny lalàna rahateo izy, ary mahalala ny antsipirihany mahakasika izany. Manomboka tezitra amin’ny CENI ny vahoaka noho ny ahiahy maro, tsy vao izao fa tena niainga tany amin’ny fanomanana ny zotram-pifidianana mihitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.