Tsy mbola mety eto Madagasikara ny fanaovana tombana mialoha ny mety ho vokatry ny fifidianana na “Sondage”, hoy ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy,
satria tena tsy mbola mitovy amin’ny any ivelany, toy ny any Etazonia sy Eoropa ny fiainan’ny olona eto Madagasikara. Tsy mitovy ny fahaizana amam-pahalalana, ny fiainana, ny fomba fijery ny politika, ny fomba fisainana amin’ny ankapobeny, ny fomba any anaty fiarahamonina, hany ka sarortra ny hahazoana ny tena marina avy amin’ny santionan’olona nanontaniana. Etsy an-kilan’izay dia hanahirana raha toa ka tsy mitovy amin’ilay tsapan-kevitra natao ny voka-pifidianana ofisialy avoakan’ny CENI, dia holazaina indray fa hoe nisy ny hosoka sy ny hala-bato ka izay no hitarika korontana eto, hoy hatrany i Hery Rakotomanana filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana. Tsy afaka ny hanakana ny fanaovana tsapan-kevitra kosa anefa ny CENI, ary hisy anio ny famoahana karazana tsapan-kevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena ka ho hita eo ny fitrangany. Notanterahana omaly teny amin’ny biraon’ny CENI Nanisana moa ny fanaovan-tsonia amin’ny fandrotsahan’ny Royaume Uni ny anjara volany izay mitentina 150 000 dolara ao anatin’ilay tetikasa SACEM hamatsiana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.