Politique

Filohan’ny CENI “Atero ny porofona hosoka hanapahan-kevitra”


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Nisy ny atrikasa notanterahan’ny vaomiera nasionaly mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) sy ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) ary ireo solontenan’ny haino aman-jery sy ny gazety tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly zoma 12 oktobra.

 Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny asa fanaovan-gazety mba ho tena matihanina, indrindra manoloana izao fiatrehana ny fifidianana izao. Tokony hanamafy sy hahatsara hatrany ny demokrasia ny asa fanaovan-gazety, hoy ny solontenan’ny PNUD. Etsy an-daniny, nanambara ny teo  anivon’ny CENI fa vaindohan-draharaha ny fitoniana amin’izao ka tokony ho vaovao marim-pototra no omena ny vahoaka mba tsy hiteraka fikorontanana eto amin’ny firenena. Manoloana ny fitakiana ataon’ireo kandida mivondrona dia nanambara ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana fa raha ny lalàna manankery dia tsy afaka mikitika ny lisi-pifidianana intsony satria nilaza mazava izany fa mihidy amin’ny 15 mey ny lisitra ary misokatra indray ny voalohan’ny volana desambra. Ary raha hosokafana indray aza izany dia midika fa hihemotra ny fifidianana satria tsy ampy intsony, hoy izy ny fotoana hikirakirana ara-teknika ny lisitra. Efa niantso sy namerina foana ny fe-potoana farany ny CENI ka tsy andraikitray intsony ho an’ireo izay tsy nanaraka ny fepetra. Na izany aza dia hanomana fifampiresahana amin’ny kandida rehetra ny CENI, hoy ny filohany. Ankoatra izay dia nanamafy izy fa tsy tokony horaisina honohonon-dresaka izay tsy fanarahan-dalàna rehetra tsikaritra any fa mila entina mazava eo anivon’ny CENI ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy fepetra haingana. Nanizingizina  ihany koa izy fa ny CENI dia  tsy manao hosoka ary tsy misy hosoka izany ao fa tokony  hoentina manatona azy ireo ny porofo ho amin’ireo manana ahiahy amin’izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT